- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Sefo fokontany nanidy biraom-pifidianana nalefa any am-ponja

Toliara : Sefo fokontany nanidy biraom-pifidianana nalefa any am-ponja

Afak’omaly alakamisy rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara ny sefo fokontanin’i Marofify any amin’ny distrikan’i Toliara II. Nanakorontana nandritra ny andron’ny fifidianana ity filohan’ny fokontany ity. Nohidiny ny biraom-pifidianana ka raha tsy tonga ny mpitandro filaminan’ny OMC avy any Toliara  tsy nisy ny fifidianana vanona tany. Efa matetika ataon’ity rangahy sefo fokontany ity ny manakorontana toy izao, hoy ny mpitandro filaminana. Porofon’izany tamin’ny fifidianana ny taona 2007.

« Mpamerin-keloka izy ka tsy maintsy nandraisanay fepetra mba ho anatra ho an’ny hafa »,hoy hatrany ny tatitry ny tandroka aron’ny vozona. Marihana fa ny kaominina Marofify dia 65 km miala ny tanànan’i Toliara ary mandeha an-tongotra sy miampita renirano roa vao tonga any. Mihevitra angamba ity sefo fokontany ity fa tany lavitra andriana i Marofify, satria na tambazotrana telefaonina tsy misy any ka nigalabona tamin’ny fanamparam-pahefana sy ny asa ratsiny ny anao lahy.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser