- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : “Sergent » maty nitifi-tena tao am-piasany

Toliara : “Sergent » maty nitifi-tena tao am-piasany

Nandriaka indray ny rà omaly antoandro tany Toliara, tokony ho tamin’ny 11 ora. Miaramila iray 46 taona mitondra ny grady « sergent » no maty tsy tradrano nitifi-tena tao amin’ny toeram-piasany Razimanta Miaramila faha-5. Raha ny fanazavana azo dia bala efatra no niditra teo amin’ny tendany ary nivoaka tamin’ny lohany, ka nitarika ny fahafatesany. Tamin’ny andro omaly io dia lehiben’ny fiambenana (chef de poste) tao amin’ny RM5 ity miaramila ity. Tsy hay izay niseho tampoka tao, fa ny feom-basy nipoaka mafibe no nanaitra ny miaramila rehetra tao andakazera sy ny mponina manodidina.

Marary saina ? Tamin’ny fotoana nandalovanay teny amin’ity toby ity (11 ora sy 20 minitra) dia mbola nanao fanamiana miaramila ara-dalàna tsara (tenue de combat camouflé) ilay miaramila maty, saingy tsy teo aminy intsony ny kiraro baoty (rangers) fitondran’ny tafika. Tamin’io omaly io ihany koa no nandrenesana nandritra ny angom-baovao, fa tsy dia salama saina loatra ity « sergent » ity ary nisy fotoana efa nitsaboany tena, hoy ny lehibe.

Mbola mitam-basy. Ny mahagaga ary mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao dia ity : « nahoana olona voalaza fa marary saina no mbola ampitondraina na ampitazonina basy ? » Raha ny loharanom-baovao dia nametraka taratasy nisy hafatra nosoratany ho an’ny lehibeny sy ny fianakaviany ity miaramila nitifi-tena ity. Ny Zandary no misahana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ny tena marina amin’ity raharaha ity. Omaly ihany dia efa nalain’ny havany ny razana, rehefa vita ny fombafomba ara-miaramila sy ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser