- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : « Sergent » nitifitra nahafaty ankizilahy 17 taona

Toliara : « Sergent » nitifitra nahafaty ankizilahy 17 taona

Ny faha-13 septambra teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora alina, nisehoana hetraketraka nahafaty olona tany Bezaha any Toliara. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy nisy miaramila iray mitondra ny giradina “sergent” miasa any Toliara nitifitra nahafaty ankizilay mpianatry lycée any an-toerana. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nasainy nandohalika ilay mpianatra ary notifiriny akaiky ( à bout portant)  tao amin’ny tratrany. Nivoaka tany ambany lamosiny ny bala. Maty teo no ho eo ilay ankizy lahy. Tsy fantatra aloha hatreto ny zavatra nisy marina teo amin’ireo olona roa ireo. Fanamarihana no hilazna fa tany ivelan’ny faritra ihasan’ilay miaramila no nisehoan’ny famonoana. Omaly talata teo no natao ny fandevenana an’ilay mpianatra. Re tamin’izany fa tsy hanaiky izao zavatra izao ny rehetra any an-toerana. Ahiana araka izany ny fitraotran’ny mponina manoloana ity fitifirana ity. Etsy an-daniny, re fa efa nisy ny fandraisana handraikitra eo anivon’ny tafika.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser