Nirongatra ny trafikana sokatra tato ho ato. Zana-tsokatra 310 saika haondrana an-tsokotsoko indray no tra-tehaky ny polisy tany Ampanihy Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Fiarabe taksiborosy mampitohy an’i Taolagnaro sy Toliara no nitondrana an’ireto sokatra avy any Beloha Androy ireto, izay nafatratra tao anaty valizy maromaro. Olona efatra no voasambotra ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela, ka anisan’izany ilay lehilahy tompon’ireo valizy sy ny mpamily mpanampy amin’ity fitateram-bahoaka, niray tsikombakomba tamin’ireo mpanao trafika. Vao tsy ela izay, mbola tamin’ny RN 10 iny hatrany, saingy tao Andranovory Toliara II, no nahatrarana sokatra 643 nentina tamina fiara tsy mataho-dalana iray. Olona efatra ihany koa no voasambotra.
Misy mpiaro. Raha ny fanomezam-baovao avy amin’ny sampandraharahan’ny Rano sy Ala Atsimo Andrefana, dia sokatra maherin’ny 1 500 no tra-tehaka tato anatin’ny roa volana latsaka kely monja. Noho ny fiaraha-miasa matotra tamin’ ireo olona tsara sitrapo tamin’ny fanomezam-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana no nahazoana izao vokatra izao. Anisan’ny nampirongatra ity varomaizina ity tato ho ato ny fisiana olona ambony lava tanana sy mpanam-bola miaro hatrany an’ireo mpanao trafika sokatra tratra, ka lasa tsy maty manota zara raha misazy, na tsy voasazy mihitsy, ireo mpandroba ny harem-pirenena, ary tsy re ihany koa matetika ny tohin’ ireny fahatrarana olona manondrana sokatra ireny, raha araka ny fanazavana azo hatrany.
Eric Manitrisa