Sokatra miisa 122 nafatratra tao anaty gony izay nentina posy bisikileta iray no saron’ny polisin’ny Fip Toliara, afak’omaly alina tokony ho tany amin’ny 11 ora, tao Sanfily Toliara. Araka ny fanazavana azo dia avy any Andabizo saika hentina hiakatra amidy aty an-drenivohitra ireto biby arovana no tra-tehaka izao. Olona roa mianadahy voarohirohy amin’ity trafika maizina ity no ataon’ny mpitandro filaminana famotorana lalina ankehitriny. Navosotra kosa ilay rangahy mpitondra posy izay nilaza fa mahalala ny entana nentiny. Nampisalasala an’ireo mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina no nahita an’ity posy iray, ka nahatonga ny polisy hisava ny entana. Omaly ihany, taorian’ny fanadihadiana tsy maintsy natao, dia nalefa avy hatrany any Mangily Ifaty Distrikan’i Toliara II, izay tananàn’ ny sokatra ireto sokatra tra-tehaka ireto, mba ho zahana fahasalamana. Ary apetraka amin’ity toerana manonkana ity ireto biby arovana mandram-pamerenana azy any amin’ny toerana niavian’izy ireo any amin’ny Faritra Androy iny.
Eric Manitrisa