- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Sokatra 142 tratra saika haondrana anaty taxi-brousse

Toliara : Sokatra 142 tratra saika haondrana anaty taxi-brousse

Nahazo vaovao ny lehiben’ny zandary avy Toaliara fa misy olona mikasa hanondrana sokatra antsokosoko. Nandeha teny amin’ny toerana voatondro ireo mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahatratrarany valizy iray nisy sokatra miisa hatrany amin’ny 142. Efa vonona hampakarina ambony fiara fitaterana no tratra io. Rehefa nojerena akaiky dia fantatra fa 124 amin’ireo biby ireo dia ilay karazany antsoina hoe “radiata”, ny 18 kosa dia sokatra voalaza fa efa ho lany taranaka. Natao ny fanadihadiana ary nokarohina ny tompon’ilay entana. Tsy hita anefa izay nisy azy ary tao, tsy fantatra ihany koa. Ny fanampim-baovao no nilaza fa raha vao nahafantatra ny fandehan-javatra izy io dia nandositra. Tsy hita izay nalehany. Teo no ho eo ihany, nosokafana ny fanadihadiana. Ireo biby kosa natolotra ny “direction régionale de l’environnement” any an-toerana.

Tsy misy fitsaharany ny trafikana sokatra. Voalaza moa fa tena volabe tokoa no mihodina amin’ity zavatra ity, indrindra fa any ivelany any. Vao tamin’ny herinandro lasa no nahatratrarana mpitandro filaminana nanao izany teny Ampasapito. Efa voasambotra izy io. Volana maro nifanesy, sokatra marobe no tra-tehaka saika hahondrana any ivelany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici