- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Sokatra 147 isa saika haondrana

Toliara : Sokatra 147 isa saika haondrana

Mbola mitohy ihany ny fandrobàna biby arovana. Avy any amin’ny faritra Androy, tao Beloha ireo sokatra izay miisa 147. Sarona tao Toliara fokontany Mahavatsy 2, rehefa nandalo tao. Avy hatrany dia nisy ny fandraisana andraikitra ka nosamborina ny olona roa izay tompon’antoka tamin’ny fitarerana ireo biby. Nogiazana koa ireo sokatra ary aorian’ny fanadihadiana ara-pahasalamana azy ireo dia tokony haverina any amin’ny toerana niaviany. Tsiahivina fa isan’ny nanala-baraka ny firenena ity resaka fanondranana biby arovana ity vao tsy ela akory izay. Ny fanadihadiana no hanamarina raha saika halefa any ivelany indray ireo. Ny fantatra aloha dia aty an-drenivohitra aloha no saika hitaterana azy ireo no io tratra tao Toliara io. Mila mandeha lavidavitra ny fanadihadiana ary mamongotra ny tambajotra izay ao ambadik’ity raharaha maloto ity indray.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici