- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Sokatra 5000 tra-tehaka, olona roa voasambotra

Toliara : Sokatra 5000 tra-tehaka, olona roa voasambotra

Mitohy hatrany ny fahatraana ireo olon-dratsy fanetriben’ny firenena, mpanondrana ireo harena voajanahary eto amintsika. Raha vao haingana tokoa no sarona ireo sokatra an-jatony tetsy Ivato, dia fantatra ihany koa izao fa vao nisy sokatra « radiata » nahatratra teo amin’ny 5000 teo ho eo no saron’ireo mpisehatra eo amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko, izay nahitana ireo tompon’andraikitry ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, tompon’andraikitry ny minisitera ary ny Bianco. Olona roa no voasambotra tamin’izany asa ratsiny izay, lehilahy sy vehivavy izay notanana avy hatrany natao famotorana. Omaly tao amin’ny kaominina Betsinjaka ao amin’ny distrika Toliara faharoa no nahitana ireto sokatra, izay nokasaina haondrana ireto. Loharanom-baovao no tonga teny an-tsofin’ireto mpisehatra ireto ny amin’ny fisian’ireo sokatra aman’arivony miangona amina trano iray tao amin’io tanana io. Rehefa nahazoana alàlana tany amin’iny tribonaly dia niroso tamin’ny fidinana sy ny fisavana ny trano ireo tompon’andraikitra. Tra-tehaka teo ny nafenina ho an’ireo tompon’ny trano. Teo am-pandevenana ny sokatra enina maty mantsy ilay rangahy tamin’ny fahatongavan’ireo mpisava. Notanana natao andrimaso moa ireto olona roa ireto hahafantarana ny marina mahakasika ity toe-javatra ity. Napetraka tamina ivon-toerana iray ao Mangily kosa ireto biby ireto, hanazarana azy amin’ny fiverenany indray eny anivon’ny natiora.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici