- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tafakatra 6 ny matin’ny rivo-doza Fundi, 23 820 traboina

Toliara : Tafakatra 6 ny matin’ny rivo-doza Fundi, 23 820 traboina

Hatramin’ny omaly dia enina no maty ary 23 820 no traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fundi tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Mbola tarehimarika vonjimaika io, hoy ny avy ao amin’ny BNGRC. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana kosa dia mbola betsaka ireo toerana dibodrano,na dia nisy aza ny fitrohana izany tamin’ny « moto pompe », tolo-tanana nataon’ny mpandraharaha ao Toliara. Raha ny vaovao azo amin’izao ora anoratanay izao dia  «  en panne » ao Fianarantsoa fa mbola tsy tonga an’i Toliara ny fiarabe nitondra ireo fitaovana hitrohana ny rano mihandrona mamoaka fofona maimbo manempotra amin’izao.
Manjaka ny aretin’ny taovam-pisefoana. Vokatry ny loto etsy sy eroa sy fisotroana rano maloto tsy ara-pahasalamana dia mirongatra amin’izao ny aretin-kibo. Eo ihany koa ny baibay (aretin-koditra) amin’ny tongotra mampandamaka ny mponina. Nisioka kely ireo traboina fa nanomboka afak’omaly ny fizarana fanampiana ho azy ireo, ary tonga tany Toliara mihitsy nitondra izany ny sekretera mpanatanteraky BNRGC sy ny minisitry ny Asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser