- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Taitra ny olona, hita velona ilay olona nalevina

Toliara : Taitra ny olona, hita velona ilay olona nalevina

Roa taona taorian’ny fandevenana, tonga tao an-tranon’ny mpampiasa azy ilay lehilahy. Taitra ny olona ary nahoraka tao an-tanànan’i Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha, ny zava-nitranga. Nantsoina ny fianakaviany ary akory ny hafalian’ireo raha nahita azy velona soa aman-tsara sady salama. Teo amin’izay no nivoaka ny ampamoaka. Roa taona talohan’izao mantsy dia nolazaina fa maty io olona io. Ary dia nisy mihitsy ny fandevenana. Raha zohina izany ny tena zava-nisy dia olon-kafa io nalevina io. Ho an’ny mpampiasa azy tamin’izany dia fandrika entina nanaratsiana azy ilay lainga marivo tototra. Nolazaina mantsy fa hita faty ilay tovolahy tamin’izany fotoana ary isan’ny notazomin’izy ireo ho ao ambadik’izay mety ho famonoana ny mpampiasa azy. Dia natao tokoa ny fandevenana sy ny fombafomba rehetra toa ny « Havoria ». Akory ny hagagana ny alahady teo fa indro tonga tao Sakaraha ny nolazaina fa maty ary niresaka soa aman-tsara tamin’ny olom-patany. Teo izy no nanazava fa nikisaka tany Nosy-Be ary nilaza fa nanao fikarohana momba ny ady amin’ny Covid-19. Taitra ny fianakaviany raha nahita azy velona ary nisy mihitsy ny torana noho ny fietanam-po ankoatra ny ranomasom-pifaliana tetsy sy teroa. Niala tsiny tanteraka tamin’ny mpampiasa azy taloha ireo farany satria tena voahoso-potaka tokoa ny anarana, roa taona lasa izay. Dia mba iza izany ilay nalevina teo amin’ny toerany? Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny ary mbola azo sokafana ny fanadihadiana, satria vao roa taona no nisehoan’ity raharaha ity. Mahakasika izay indrindra dia misy fianakaviana taitra koa raha nahare ny vaovao ary manahy sao mba ny zanak’izy ireo no voalevina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici