- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Taolam-paty roa gony, hitan’ankizy tao anaty lobolobo

Toliara : Taolam-paty roa gony, hitan’ankizy tao anaty lobolobo

Taolam-paty roa gony napetraka olon-tsy fantatra tao anaty lakandrano maina feno lobolobo, no hitan’ankizy nilalao, tany amin’ny kaominina Mihary, distrikan’i Toliara II, afak’omaly antoandro. Taitra ireto andian’ ankizy maromaro nanao kiafinafina raha nahita gony lehibe roa feno zavatra hafahafa. Nosavain’izy ireo, kay taolam-paty no tao. Nampandre ny rainy ny zavatra hitany avy hatrany ny ankizy iray. Ny ray aman-drenin’io zaza io indray avy eo no niantso ny sefo fokontany nijery ny zava-nisy. Rehefa vita ny « constat » nataon’ny mpitandro filaminana, dia nalevina avy hatrany tamin’ny fasam-bahiny ireo taolam-paty. Raha ny vaovao azo farany, mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza, ary ny teny amin’ny tanàna manodidina koa tsy nandrenesana vaky fasana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici