- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Telolahy nahatratrarana basy vita gasy

Toliara : Telolahy nahatratrarana basy vita gasy

Nandritra ny fisafoana  fanaon’ny polisy isak’alina, ho fanamafisana ny fitandroana ny filaminana, hisorohana ny asan-jiolahy izay nateti-pitranga tato ho ato; telolahy nampiahiahy nosavaina nahatratrarana basy vita gasy tao Sanfily Toliara tamin’iny herinandro iny. Mbola nahitana antsy lava iray avy tany amin’izy telo lahy ireo, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Tamin’ny famotorana no nahafantarana fa avy any Ejeda distrikan’ Ampanihy Andrefana ireto bandy ireto. Nanamafy ny avy ao amin’ny polisy Toliara fa ity no basy vita gasy tsara indrindra tamin’ireo efa tratra hatramin’izay. Raha ny tombana dia mety ho betsaka ny mitovy kalitao amin’ireto sarona ireto miparitaka any ho any. Efa natolotra ny fitsarana izy telo lahy ireo.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser