Miverina indray ny fanafihan-jiolahy nitam-basy ao Toliara, raha nangigina izany nandritra ny volana vitsivitsy. Ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany, dia toeram-pivarotana volamena sy volafotsy lehibe iray ao Bazaribe, tantanana teratany karana no notafihana efa-dahy tsy nisaron-tava nitondra basy. Raha vao tafiditra tao amin’ity toeram-pivarotana amoron-dalana tsy lavitra biraona mpitandro filaminana ity ireo jiolahy, dia nanambana basy ary nanery an’ilay karana tompon’ny magazay hamoaka vola. Nihanahana tsy nahahetsika anefa ilay karana, ka nototoin’ireo olon-dratsy ny vodibasy, ary mbola nakapokapok’izy ireo teo ambony latabatra fivarotana ihany koa ny lohany, ka naratra mafy sady vaky nihosin-drà. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe kosa ny niharam-boina hatramin’izao. Mihorohoro ny karana rehetra. Raha ny fanazavana azo, dia ilay karana mpivarotra irery no tao tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana, fa nirahiny nankany amin’ny zanany ny mpiasany. Tonga tampoka anefa ity farany, ka nahita ny famonoan’ireo jiolahy ny patiraony, dia nitsoaka haingana niantso mpitandro filaminana. Raha vao tsikarik’ireo jiolahy fa ho tonga ny Polisy, dia nivoaka moramora izy ireo, ohatra ny olona tsy nanao zava-dratsy ireny, ka tsy nisy voasambotra. Raha ny fantatra dia tsy nahazo na vola na volamena na zava-tsarobidy hafa ireo jiolahy. Nanoloana iny trangana fanafihana iny, raha ny ny fampitam-baovao voaray, dia matahotra sy mihorohoro avokoa ankehitriny ireo teratany karana rehetra mpivarotra ao Bazaribe sy any Toliara.
Eric Manitrisa