- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Toeram-pivarotana miisa 10 may kila forehitry ny afo

Toliara : Toeram-pivarotana miisa 10 may kila forehitry ny afo

Nitrangana haintrano nahatsiravina indray tany Toliara, afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ka toeram-pivarotana fanaka sy dokany miisa folo ao Soanafindra, fokontany Amborongony, no lasa lavenona may kila forehitry ny afo. Mitentim-bidy 300 tapitrisa Ariary eo ny entana may. 20 tapitrisa Ariary ny lelavola hotohoton’ny afo. Raha ny angom-baovao, dia “court circuit” niteraka fipoahan’ny “compteur” niainga tamina trano iray mpanamboatra fanaka no nipoiran’ny afo, ka nahatonga ny firehetana. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo niharam-boina, tara vao tonga ny mpamonjy voina, ary tsy ampy ihany koa ny rano nentina namono ny afo niledaleda, ka ora telo taorian’ny firehetana vao maty tanteraka ny afo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ity haintrano antoandrobe nanahary nigagan’ny rehetra ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici