- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy 14 taona nangalatra finday sy vola, voadaroka

Toliara : Tovolahy 14 taona nangalatra finday sy vola, voadaroka

Tovolahy 14 taona no tratra nangalatra finday sy pôketra, ka saika matin’ny daroka, omaly naraina, tao Sanfily Toliara. Nody nivarotra sigara sy kojakojan-tsakafo maivana (vatomamy sy bisoky) izy ary nitakosina amin’ireo olona maro sendra nitangorona. Eo ity tovolahy mpangarom-paosy ity mitily ny rembiny. Ny olona koa tsy manampo fa toy ny mpivarotra mandehandeha mahazatra maso izy. Lehilahy iray hoany Bezaha Betioky Atsimo no lasibatra.

Tsy nanampo n’inon’inona ity farany fa ny kitapo kely nentiny nisy ny finday sy vola efa voaharona no nanaitra azy. Taitra izy fa tsy tao intsony ny fananany. Olona iray tsara sitrapo nahatsikaritra ny asa ratsin’ity tovolahy ity no niteny taminy. Tsy lasa lavitra ilay tovolahy dia tratra ary sarona tany aminy ny entan’olona.

Tsy nisy fanazavana fa samy nidaroka nanala ny fony ny nanatrika teo. Nirarakompana ny totohondry sy ny daka. Raha nitohy ny tambabe dia saika nanaraka hatramin’ny ain’ity mpangarom-paosy ity. Raha ny ao Toliara ao, dia mahavanon-doza foana ireo zaza tsy mianatra mpirenireny ary tena havanana amin’ny asa ratsy isan-karazany.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser