- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy 20 taona nanolana zaza tsy ampy taona, karohina

Toliara : Tovolahy 20 taona nanolana zaza tsy ampy taona, karohina

Tato ho ato dia mirongatra ny fanodinkodinana sy fanolanana ankizy tsy ampy taona ao Toliara sy ny manodidina. Zazavavy 16 taona monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara no tsy hita nanjavony, nanomboka ny talata heriny teo. Ny zoma izy vao no nipoitra rehefa lany haiky tamin’ny fikarohana azy ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany. Nitantara ny zava-nihantra taminy razazavavy ary nilaza fa tovolahy 20 taona namany iray sekoly taminy no nanome ranom-boankazo nisy zava-mahadomelina azy. Rehefa nalemilemy tsy nahatsiaro saina izy dia nanamparan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny sy naolany. Raha ny loharanom-baovao, dia mbola karohina ity tovolahy ity hatramin’izao ora anoratanay izao, izay tsy hita popoka mihitsy ny najavonany.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser