- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy 20 taona taona, namono tena nihantona tamin’ny tady

Toliara : Tovolahy 20 taona taona, namono tena nihantona tamin’ny tady

Tovolahy manodidina ny 20 taona no maty nananton-tena tamin’ny tady ny asabotsy hifoha alahady teo, tany Toliara. Ny maraina vao samy gaga ny tao an-trano ary torana mihitsy ny reniny, satria tampoka taminy ny zava-niseho. Raha ny ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia fahadisoam-panantenana nisaraka tamin’ny sipany no nanosika ity tovolahy ity hamono tena. Nanomboka ny alakamisy teo izy no tsy nahitan-teny firy, ary tsy nisy nahatsikaritra ny tetika nataony, fa izy efa tsy nisy aina nihantona tamin’ny tady tsy azo nialana nenina intsony. Nitombo isa tato ho ato ny tanora mamono tena noho ny resa-pitiavana.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser