Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany Toliara, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Tovolahy iray 30 taona eo voalaza fa gadralava no tra-tehaka nangalatra akoho efatra, tao amin’ny Fokontany Ankatsaka, ka naratra mafin’ny vono sy daroka niharan’ny hatezeram-bahoaka, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny mihitsy, raha tsy voalamina haingana ny raharaha. Raha ny fanazavana azo, dia teo am-pilanjana ireo akoho avy nangalariny saika hamaky ny fefy vala hazo hitsoahany ity mpangalatra ity, no nifanehitra tampoka tamin’ny tompon’ireo akoho, izay handeha hivalan-drano tamin’ny trano fivoahana ambadiky ny tranon’akoho. Raikitra ny hazolava (antso vonjy) ka nifanenjehana eran’ny tanàna ity mpangalatra ity, ary rehefa tratra izy dia nisy tamin’ireo mpiara-monina manodidina no nahafantatra, fa vao nivoaka ny fonja ny alarobia teo noho ny resaka halabotry sy vaky trano hatrany ity tovolahy sarona nangalatra akoho ity. Tsy mety fay fa manohy hatrany ny asa ratsiny ity lehilahy gadralava ity, ka nanamparan’ny olona teo an-tanàna ny hatezerany, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa