Nandriaka indray ny rà vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Toliara, ny asabotsy teo. Tovolahy iray manodidina ny 19 taona nitondra môtô tsy nanao aroloha (casque) izay nasidin’ny soavalivy nentiny no naratra mafy tapa-tongotra. Noho ny hamafin’ny dona nihatra taminy dia tapaka roa ny tongony havanana ka tsy maintsy hotapahina, raha ny vaovao voaray. Raha ny fanazavana azo dia nisotro toaka niaraka tamin’ny namany ity tovolahy niharan-doza ity. Rehefa niakatra ny onjan’ny alikaola dia nilaza ny handeha izy, fa mbola misy fety hafa hovonjeny. Novelominy ny môtô-ny ary nirimorimo nandeha mafy izy (départ américain). Vokatr’izany, tsy voatazony intsony ny familiana an’ilay môtô nentiny ka nanidina, avy eo nitrosona mafy nianjera tamin’ny tany ka tapa-tongotra. Mbola tsy tonga saina ity tovolahy ity na dia efa nandriaka aza ny rà, hoy ireo nanatri-maso ny loza. Mila mitandrina sy mailo amin’izao andro fety izao fa lahitokana ny aina.
Eric Manitrisa