Tovolahy iray 22 taona, mamo, no voadonan’ny fiara ka naratra teo amin’ny sandriny havia sy ny ilan-damosiny, ny alakamisy alina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, tamin’ny lalana mihazo an’Andolombazaha (fasam-bahiny) ampitan’ny hopitaliben’i Toliara. Raha ny fanazavana azo dia nanapaka arabe tampoka ity tovolahy efa dizin’ny toaka tanteraka ity, izay nisary adala teny an’arabe. Niezaka niala azy ilay fiara nefa nibolisatra tao anaty lavaka ampovoan-dalana izy, ka voadona ary naratra. Taorian’ny loza dia nentina notsaboina ity tovolahy nandolan’ny galeoka ity. Matetika mantsy dia ireo mpamily foana no mahazo loza ary mety hiditra am-ponja, kanefa ny sasany no mamo tampona eny rehetra eny ka tsy mahita izay lalan-kalehany intsony, ka eo matetika no mitranga ny loza.
Manitrisa
Toliara : Epicérie voatafika, lasa ny vola 4 hetsy Ariary niampy entana. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara, afakomaly alina. “Epicérie” iray no nisy namaky ka very tamin’izany ny vola efatra hetsy ariary niampy ireo entana maromaro zakan’ny olon-dratsy tao amin’ity toeram-pivarotana ity. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina dia tsy naheno na inona na inona izy ireo tamin’io alina io. Na ny alika teo an-tokotany aza tsy nivovo. Angamba ankevitry ny nanao fonoka ody gasy ireo mpamaky trano. Marihina fa ity “epicérie” ity dia ampovoan-tanàna ary amin’ny efitra akaiky eo ihany no matory ny tompony, kanefa ny maraina vao samy gaga fa nanjifa ny vola sy ny entana sasany. Tato ho ato, raha ny ao Toliara, dia toa nahazo laka indray ny vaky trano sy ny hala-botry. Kere hono ty ndaty !
Manitrisa