Renim-pianakaviana iray no naratra mafy afak’omaly tany Toliara notsatohan’ny zana-badiny ny antsy. Raha araka ny vaovao voaray dia voalaza fa mamon-drongony ity tovolahy mpianatra iray haka Bacc ity ny alahady io, ka saika hamono tamin’ny fomba feno habibiana ny renikeliny. Nifamaly izy mianaka ny asabotsy alina, satria tsy nety norarana fa nandefa mozika mafy tamin’ny alalan’ny “ampli-baffle” foana ity tovolahy ity hatramin’ny iray ora maraina tany ho any. Tsy tao an-trano kosa ny rainy tamin’io andro io fa namonjy fahoriana tany ambanivohitra. Maraina ny andro, lasa nandeha nivavaka ilay tovolahy (izay no fantara fa nialany tao an-tranony), raha araka ny fanazavana voaray.
Romotra. Rehefa tafaverina tao an-trano izy ny antoandro dia naka antsy tao an-dakozia ary tonga dia nanatsatoka izany tamin’ilay renikeliny, izay variana nanasa lamba teo an-tokotany. Voan’ny zava-maranitra teo amin’ny ilan-tsorony havanana ilay ramatoa, ka nijininika ny rà. Niezaka nitsoaka ity renim-pianakaviana avy eo, kanefa mbola nenjehin’ilay tovolahy izay hita efa romotra be, raha ny fanazavana azo hatrany. Taitra ny manodidina nahita ny zava-niseho ka niezaka namonjy an’ilay ramatoa naratra. Nitsoaka kosa ilay tovolahy raha nahita ny olona nirodorodo marobe. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola karohina ity tovolahy nahavanon-doza ity.
Eric Manitrisa
Toliara : Tovolahy mamon-drongony, nanatsatoka antsy ny renikeliny
Articles qui pourraient vous intéresser