- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy nampirafesin’ny sipany, namono tena tamin’ny poizim-boalavo

Toliara : Tovolahy nampirafesin’ny sipany, namono tena tamin’ny poizim-boalavo

Tovolahy mpianatra iray 19 taona nisarahan’ny sipany tsy nahazaka fampirafesana no namono tena nitelina poizim-boalavo, omaly antoandro, tao amin’ny fokontany Ambalanomby-Kamoa Toliara. Izy efa nalemy sy nihoaka nandoa eran’ny trano no nahataitra ny fianakaviany. Minitra vitsy taorian’izay tsy nahatsiaro tena, ka nentina haingana namonjy tobim-pitsaboana. Na dia avotra soa aman-tsara ihany ny ainy, dia ahiana ny fahasalamany, hoy ny mpitsabo, satria efa misy amin’ireo taova ao anatiny no manomboka rotiky ny poizina. Araka ny vaovao voaray, dia mpiady lava ireto mpifankatia, noho ny hasarotam-piaron’ilay tovolahy diso tafahoatra  ary tsy tantin’ilay tovovavy sakaizany ny daroka matetika nihatra taminy, ka nifindra lasy tany amin’olon-kafa izy ; izay mpiara-mianatra aminy ihany. Omaly io anefa, tokony ho tamin’ny 10 ora, hitan’ity tovolahy namono tena nampiaraka tamin’ny olon-tiany vaovao ilay tovovavy sipany, ka nodarohany teo imasom-bahoaka, naratra. Nilaza hitory ilay zazavavy. Asa noho ny tahotra ny higadra angamba, sa tena fitiavana araka ny filazany, fa ny hanapitra ny ainy no vahaolana hitan’ity tovolahy.

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser