Sahy ary tsy kely lalana ny ratsy sady mahita tetika hatrany hanaovana ny asa ratsiny amin ’ ny toerana rehetra, hatramin’nyzavatra tsy ampoizina no vitan’ ny jiolahy. Masobe tsy mahita ! Omaly antoandro tao Toliara, tovolahy iray nangalatra solosaina entin-tanana tao amina « cyber » iray. Nitsoaka avy hatrany izy rehefa azony ny fitaovana nangalariny, ka nifanenjehana. Tafiditra tanaty elakelan-trano dia najavona tsy hita intsony. Nadio ny rano nitana. Raha ny fanazavana azo dia toy ireny mpanjifa rehetra ireny nanao « connexion » no nahitana azy. Variana nandray olona ny tompon’ ity « cyber » ity sady nihevitra ilay mpangalatra ho nifoka sigara teo an-tokontany.
Rainizavona ! Ankona anefa ny tenany nahita ny solosainy tsy teo intsony, ka nivoaka nijery ary nanenjika io tovolahy io tany ivelany avy hatrany. Fa Rainizavona kosa amin’io efa dify lavitra ery ampita sady nitsoaka niaraka tamin’ny sakaosy nobabeny (nasiany ilay milina ?). Araka ny vaovao voaray hatrany, volana vitsivitsy lasa izay, dia efa nisy namaky ihany koa ity « cyber » amoron-dalana mahasarika mpanjifa ity, ka najavona tamin’izany ny ankamaroan’ireo entana tao.
Eric Manitrisa