Tovolahy iray 25 taona eo, no tra-tehaka nangalatra “moto scooter” omaly naraina tokony tamin’ny 9 ora sy sasany, tao amin’ny Fokontany Amborongony Toliara, ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Raha ny fanazavana azo, dia nentin’ity tovolahy ity nirifatra nitsoaka ny moton’olona najanona teo amoron-dalana saika hamboarina fa tsy mahazo tsara ny hisitrany. Taitra ny tompon’ity “scooter” ity izay mbola variana miresaka aminy tokony hanamboatra ny soavaliviny, raha nahita ity motony nisy nitondra tampoka. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana, ka tra-tehaka tao Andaboly ity mpangalatra niaraka tamina fanalahidina moto sy fiara maromaro. Vetivety dia nitangorina ny olona raha nahare ny vaovao, ka nisy tamin’ny olona vory teo no niakatr’afo tezitra amin’ny fomba ratsin’ity tovolahy, ka nidaroka sy namono an’ity mpangalatra, ary nisy andiana tanora saika handoro velona an’ity tovolahy voasambotra naratra mafy tamin’ny alalan’ny kodiarana, saingy nosakan’ilay tompon’ny moto izany fihetsika izany. Raha ny fantatra dia mpiasa tamina garazy iray saika hamboarana an’io moto io ity tovolahy mpangalatra tra-tehaka. Noho izy faingan-tanana dia noroahin’ny mpampiasa azy. Noho izay halatra izay hatrany dia efa naiditra am-ponja in-telo ity tovolahy ity, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa