- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy vao afaka « bacc », naratra mafy niady an-tsena

Toliara : Tovolahy vao afaka « bacc », naratra mafy niady an-tsena

Raikitra avy hatrany ny « arrosage », ny alatsinainy hariva, rehefa afaka « Bacc » ity tovolahy iray ka niara-nisotro toaka tamin’ny namany tamina « bar » iray tao Toliara. Rehefa samy mamo anefa dia raikitra ny ady teo amina tovolahy roa, noho ny resaka sipa. Hitan’ilay iray fa ho resy izy, dia naka tavoahangy ka novelesiny tamin’iny ny lohan’ ilay nifanandrina taminy. Niboba ny ra ary tataka mihitsy ny tarehin’ilay tovolahy vao afaka « Bacc » nanandrify ny handriny, raha ny fanazavana azo. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra. Raha tara kely dia mety nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny, vokatry ny fahaverezan-dra, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici