Valalanina ny ray aman-dreniny ary mitaintaina mafy ankehitriny, fa tsy nandrenesam-baovao ary tsy hita popoka, tsy fantatra hoe : maty na velona efa ho herinandro ny zanak’izy ireo vavy, izay vao 14 taona monja, voalaza fa nanaraka vazaha efa nahazohazo taona. Raha ny loharanom-baovao, dia ny tolakandron’ny alarobia 4 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora latsaka, no niala tao an-tranony ity tovovavy tsy ampy taona ity ; izay nilaza tamin’ny reniny rehefa avy nisakafo antoandro, fa handeha hivoaka hiaraka hitsangantsangana amin’ny vazaha iray sipany, izay nolazainy tamin’io reniny io hatrany, fa efa telo andro talohan’io izy roa no niaraka, rehefa avy nifankahita teny amoron-driaka, ny harivan’ny alahady iray mey lasa teo. Noho ity tovovavy ity tsy nody an-trano andro maromaro, dia nanao ny fikarohana amin’izay toerana mety hahitana azy sy tany amin’ ireo olom-pantatra mety ho nandehanan’ity zazavavy ity, eny hatramin’ny olon-tiany taloha, ny ray aman-dreniny, kanefa tsy nahitam-bokany izany. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany, dia ny harivan’ny 5 mey io ity tovovavy ity no nisy nahita farany niara-nirevy tamina vazaha be iray tamin’ny “bar” iray tao Bazaribe Toliara, dia izay no vaovao azo sy fantatra farany momba azy.
Raha araka ny fanamarinam-baovao samihafa, maso mahita ihany koa, dia maro amin’ ireo zatovovavy tsy ampy taona ao Toliara no manaraka lehilahy ary lasa vadikely mihitsy noho ny vola (fahasahiranana sy olan-tokantrano) sy rendrarendram-piainana (revy). Misy amin’izy ireny tsy mody an-trano na tsy hita efatra andro. Misy mihitsy “anjampela” amam-bolany tsy hita popoka mivaro-tena, ary samy mihevitra ireo olona akaiky azy, fa very na maty mihitsy, nefa dia mipoitra tampoka avy eo, rehefa vita ny zavatra natao tany. Tsy vitsy amin’ireo diso fanantenana tafody no mivarilavo amin’ny zava-mahadomelina na mamono tena mihitsy, izay tranga hita natetika tato ho ato.
Eric Manitrisa