- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy 20 taona naolana roalahy, lasa adala manary lamba mitrifana...

Toliara : Tovovavy 20 taona naolana roalahy, lasa adala manary lamba mitrifana eran’ny tanàna

Tovovavy iray manodidina 20 taona voalazan’ny havany fa naolana roalahy, tapa-bolana lasa, no lasa adala sy mitrifana eran’ny tanàna sady manary lamba nanomboka ny alakamisy teo, tany Toliara. Na dia vatan-dehilehy efatra be izao aza tsy mahatazona an’ity tovovavy bikana sy tsara tarehy ity rehefa mihetsika ny aretiny, hoy ny fanazavana azo. Taorian’ny herisetra ara-nofo nihatra taminy dia narary izy ary notsaboin’ny ray aman-dreniny, ary sitrana. Taitra anefa ny fianakaviany afak’omaly, fa nesorin’ity tovovavy avokoa ny akanjony, tsy nisy na dia tako-kenatra aza teny aminy, ary nirifatra nandositra sady nivazavaza no nikiakiaka nitomany izy.
Namany ny mpanolana iray. Gaga ny rehetra teo an-tanàna nahita izany, ka nifanontany. Rehefa nifanenjehana nandritra ny 15 minitra dia voasambotry ny havany ihany, ary nakan’ izy ireo mpiandry soa misy devoly na nihetsika ambalavelona. Tsy nisy vokany anefa izany. Ny tolakandron’io ihany, nentina namonjy ombiasy malaza iray ao Toliara, kanefa mbola tsy nahitam-bokany hatrany, ka kivy tanteraka ny ray aman-drenin’ity tovovavy ity. Raha araka ny loharanom-baovao marim-pototra azo dia voalaza fa nitsoaka any amin’iny faritra Ilakaka iny ny iray tamin’ireo mpanolana, izay olom-pantatr’ity tovovavy sady namany amin’ny “facebook”, ka karohina fatratra amin’izao. Tsy hita popoka tsy fantatra hoe aiza kosa ny tovolahy faharoa nanolana azy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici