- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy gasy 22 taona maty tsy tra-drano, notifirina karàna teo...

Toliara : Tovovavy gasy 22 taona maty tsy tra-drano, notifirina karàna teo amin’ny lohany

Tovovavy Malagasy iray manodidina ny 22 taona eo, izay monina ao amin’ny Fokontany Ampasikibo Toliara no maty tsy tra-drano notifirina lehilahy iray voalaza fa karàna avy any Ejeda Distrikan’ Ampanihy Andrefana, tamina hotely iray lehibe ao Toliara, tsy lavitra tobi-miaramila, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata, tokony tany amin’ny 12 ora mahery tany ho any. Niatefa teo amin’ny lohan’ity tovovavy ity ny bala ka nitarika ny fahafatesany teo no eo. Rangahy iray teratany karàna 50 taona mahery izay sakaizan’ity tovovavy ity kosa no naratra mafy voatifitra teo amin’ny takolany. Ho fanavotana ny ainy, dia nalefa haingana tamin’ny fiaramanidina tsaboina aty andrenivohitra ity mpandraharaha sady tompona hotely maromaro ao Toliara ity, omaly antoandro. Omaly antoandro izay ihany, dia voasambotry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza nitsoaka niaraka tamina vehivavy iray 25 taona sipany, ary tazomin’ny polisy atao fanadihadiana lalina izy roa amin’izao. Araka ny angom-baovao azo, rehefa avy nisakafo sy nitsangatsangana ireto karàna niaraka tamin’ny olon-tiany avy, dia niady noho ny resa-bola tamin’ny afera niarahana, ka niafara tamin’ izao vono olona mahatsiravina nahafatesana olona tsy manan-tsiny izao. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha be mpanaraka ao an-drenivohitry tanànan’i masoandro ity, satria tsy manaiky ny fianakavian’ny maty.

Eric Manitrisa

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici