- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy hatao raharaha tratra nampiaraka, vaky loha voavely tavoahangy

Toliara : Tovovavy hatao raharaha tratra nampiaraka, vaky loha voavely tavoahangy

Tovovavy iray manodidina ny 25 taona no vaky loha naratra mafy, novelesin’ny fofombadiny tamin’ny tavoahangy, omaly antoandro, tany Toliara. Raha ny fanazavana azo dia hitan’ity lehilahy olon-tiany nifanoroka be tamin’ny tovolahy hafa, tamina toeram-pisotroana sy fisakafoanana iray talaky maso tao amin’ny Magro Amoron-driaka ity vehivavy mangala-pitia sy ny rafilahiny, raha niditra tao ralehilahy avy niasa saika hividy sigara sy “Eau vive”. Raikitra ny fifamaliana, satria nahatsiaro tena ho voafitaka ilay lehilahy tena tompom-bady fantatry ny fianakavian’ilay tovovavy, ka tezitra ary tsy nahatsindry fo fa avy hatrany dia naka tavoangina labiera teo ambony latabatra ary nikapoka izany tamin’ny fofombadiny.

Nijininika ny rà, nitsoaka nivoaka haingana kosa nanavotra aina ilay tovolahy mpangala-pitia raha vao nahita ny sakoroka, fa tsy niaro akory an’ilay olon-tiany fofombadin’olona. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray, dia efa ela no nandre feo fa mampirafy azy sy mampiaraka foana amin’olon-kafa ity sakaizany, nefa tsy nino ity lehilahy fa latsa-pitia loatra. Ny masony mihitsy no nahita ny andro omaly io, ka vaky ambatolampy ny nafenina hatrizay, ary rava hatramin’ny raharaham-panambadiana ara-drazan’izy roa saika notanterahina androany asabotsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici