- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy iray tratra nampirafy nisarahan’ny sipany, maty namono tena

Toliara : Tovovavy iray tratra nampirafy nisarahan’ny sipany, maty namono tena

Tovovavy iray 22 taona no maty namono tena nitelina poizim-boalavo rehefa nisarahan’ny olon-tiany, afak’omaly tany Toliara. Ny vata-mangatsiakany efa tsy nisy aina intsony no novantanin’ ireo fianakaviana niray trano taminy ny maraina ny andro. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nisarahan’ny sipany ity tovovavy ity satria tratran’ilay tovolahy sakaizany nampiaraka sy nifampisakambina tamin’ny lehilahy hafa ny talata hariva teo. Raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta. Tsy nahafehy tena intsony ity tovovavy nilaozan’ny olon-tiany satria nahatsiaro ho voadona mafy sy nanenina izy ka nigogogogo nitomany tsy nety nampanginina hatramin’ny 11 ora alina. Samy natory ny rehetra ary gaga nony naraina andro nahita azy tsy nisy aina intsony, ary mbola hita teny aminy ny fonosan’ny poizim-boalavo namonoany tena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici