- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy namono tena tamin’ny poizim-boalavo

Toliara : Tovovavy namono tena tamin’ny poizim-boalavo

Vehivavy 21 taona vontom-pinoana mivavaka amina fiangonana zandriny iray ao Toliara no namono tena nitelina poizim-boalavo. Maty izy ary efa voalevina. Nametraka hafatra an-taratasy ho an’ny fianakaviany izy, ka nandritra ny fotoana niaretan-tory niandrasana azy no nahitana io hafatra io tao anaty baiboliny. «  Aza mitomany na malahelo ahy ianareo, fa efa hihaona amin’ny Tompo aho. Tsy tiako ny fijaliana ety an-tany ka aleoko hitady fiadanana any an-danitra. Mijaly sy mahantra ianareo dia any aho mijery sy hanampy anareo ».

Santionany tamin’ny taratasy nosoratany io, raha ny fanazavana azo. Tsy mba miala voly tahaka ny tovovavy nitovy taona taminy ity sekta vontom-pinoana ity. Famakiana baiboly sy fandinihana ny soratra masina no nandaniany ny androny, nefa nanaitra ny maro ary tsy nampoizin’ny mpiara-mivavaka taminy ny famonoan-tena tampoka nataony, raha ny fanazavana hatrany.

Diso fanantenana. Tsilian-tsofina nandritra ny angom-baovao no nandrenesana fa diso fanantenana tamin’ny tovolahy iray tiany izy, nefa ity farany tsy rototra taminy mihitsy fa nisakaiza tamin’ny tovovavy hafa. Dia mahatsiaro ny tantaran’i Irène Ralima sy ny famoizam-pony ny tia vaky boky. Mila hazavain’ny mpitarika fiangonana tsara amin’ny mpinony ihany koa ny baiboly, fa be ny lasa manaotao fahatany ankehitriny amin’ny fandraisana teny mivilana, ka mitera-doza.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser