Mandehandeha mahita raha ! Ela nanadalana vadin’olona ka sendra ny nahay azy. Tovovavy bikana iray sahabo ho 20 taona, nangala-badin’olona, no tratran-dramatoa tompom-bady ambodiomby niray sy nanala azy niaraka tamin’ny vadiny tamina trano fandraisam-bahiny iray ao Toliara, afak’omaly hariva. Tsy vitan’ny fanazavana am-bava intsony ny resaka teo fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Nentin-katezerana ramatoa ka naka vy fitanam-bolony ary namely ilay tovovavy.
Nijininika ny ra. Voa teo amin’ny handriny ity farany ary nijininika ny ra. Rangahy mpanitsakitsam-bady kosa ankona tsy nahateny. Raha ny fanazavana azo dia efa andro maromaro no efa nitilian-dramatoa ny fihetsik’izy roa ireto, satria alina foana rangahy vao tafody. Nihena toy ny fen’antitra ihany koa ny vola omeny, ary mbola nisy hafatra hafahafa matetika ao anaty findainy, ka nahamahana an’ilay ramatoa tompom-bady. Nanomboka teo izy no nitsongo dia ny vadiny, ary traingo ny nafenina.
Manitrisa