- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy nihetsika ambalavelona tao am-piangonana, nivoa-drà ny masony

Toliara : Tovovavy nihetsika ambalavelona tao am-piangonana, nivoa-drà ny masony

Tsy any amin’ny sekoly ihany no miseho ny trangana ambalavelona, fa ny alahady naraina teo, tamina fiangonana zandriny iray tao Toliara, dia tovovavy iray 16 taona no nihetsika ambalavelona tao am-piangonana nandritra ny fotoanan’ny toriteny, raha ny vaovao voaray, nohamafisin’ny fijoroana vavolombelona nataona mpino vitsivitsy. Nihoraka ny rehetra nahita an’ity zatovovavy tsy ampy taona ity nihizitrizitra sy nikiakiana ary nivoaka faroratra fotsy hafahafa ny vavany. Nivontirika be ny masony ary nandeha rà, hoy ireo nanatri-maso. Rava sy niato nandritra ny minitra vitsivitsy ny fotoam-pivavahana. Noezahina novelomina sy nalana demonia ity zazavavy ity, ka folo minitra taorian’izay dia niverina ny sainy, ary nitohy indray ny fotoam-pivavahana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici