- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy voarasarasa antsy

Toliara : Tovovavy voarasarasa antsy

Vehivavy iray sipam-bazaha niala posy avy nanala azy handeha hody no voarasarasan’ny antsy ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, tao Mahavatse Toliara. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina, dia telolahy efa mamomamo no nanaraka azy tao anaty haizina. Tsy nanaiky mora nakana ny findainy sy ny paoketra nentiny ity tovovavy ity ka nanohitra. Namoaka antsy ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ka voarasa teo amin’ny tànany sy ilan-damosiny havia. Na dia naratra aza izy dia mbola afaka nifampitolona tamin’ireo nanendaka azy. Nitsoaka ary tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy, raha vao nahita olona roa nandalo tsy lavitra teo. Ireto farany no nitondra an’ilay tovovavy 22 taona naratra namonjy mpitsabo.
Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser