Nitrangana hain-trano indray tany Toliara, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 2 ora naraina. Trano 12 tafo may kila firehitra tao amin’ny fokontany Betania Ankilifaly. Tsy nisy azo noraisina avokoa ireo entana rehetra tao an-trano niampy akoho 60 mahery nompiana tao am-pisoko lasa lavenona hotohoton’ny afo. Ramatoa iray vao tera-bao tapa-bolana monja no torana sempotry ny afo. Olona mahery ny 120 no tsy manan-kialofana amin’izao ao Bevoalavo. Raha ny fanazavan’ireo may trano, dia niainga avy ambonina trano bozaka anankiray ny afo ary niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Nitsoka mafy koa ny rivotra tamin’io fotoana io ka nampananosarotra ny famonoana ny afo. Tara ihany koa, hoy ireo mponina vao tonga ny mpamono afo (pompier).
Eric Man