- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Trano 35 levon’ny afo, ankizy iray maty may

Toliara : Trano 35 levon’ny afo, ankizy iray maty may

Nitrangana hain-trano nahatsiravina tany Toliara, afakomaly alina nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany. Niredareda ny afo ary naharitra ora maro vao maty. Trano 35 tafo ao amin’ny fokontany Tsimenatse no lasa lavenona tanteraka tsy nisy noraisina. Zazalahy iray 7 taona, sembana tsy afa-nihetsika, no maty may kila forehitra, ka nalevina avy hatrany. 150 ny olona tra-boina tsy manan-kialofana amin’izao, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra sy ireo tsara sitra-po, fa ny voin-kava mahatratra.

Afon-dabozia. Raha ny fanazavan’ireo niharam-boina, dia afon-dabozia nianjera tao amin’ny trano nisy ity zaza maty ity no niatombohan’ny afo, ary vetivety dia nitatra tamin’ireo trano hazo sy fanitso teo akaiky ny lelafo. Nanano sarotra ny « pompier » teo amin’ny famonoana ny afo noho ny haterin’ny lalana sy ny haizina vokatry ny fahatapahan-jiro. Ny mampalahelo amin’ny tranga toy izao dia misy foana ampahan’olona manararaotra ny fahorian’ny sasany, tsy menatra akory nitaona sy nangalatra ireo entana sarobidy mora entina, raha somokotra amin’ny famonoana ny afo ny teo an-tanàna.
Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser