- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Trano miisa 1 400 dobo rano ao Mahavatse II

Toliara : Trano miisa 1 400 dobo rano ao Mahavatse II

Anisan’ny nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny andro ratsy farany teo, ny tao an-tampon-tanànan’i Toliara. Raha ny ao amin’ny fokontany Mahavatse II manonkana no asian-teny, izay tena lasibatra tokoa, dia trano miisa 1 400 no dibo-drano, ary olona maherin’ ny 8 260 no miaina ao anaty rano maloto. Manoloana ny fitarainan’ny mponina, dia nidina ifotony nijery ny zava-mahazo azy ireo ny mpitondra any an-toerana, notarihan’ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Kly Rabe Jules sy ny avy ao amin’ny Prefektiora ary ny Fiadidiana ny tanàna. Tsy nitazam-potsiny ireo solontenam-panjakana, fa avy hatrany dia nanolotra milina paompin-drano lehibe nitrohana ireo rano mihandrona maloto sady maimbo, avarina any an-dranomasina. Raha ny fanazavana azo, dia atao ao anatin’ny fotoana fohy ny fanalana ireo rano mihandrona maloto, mba hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana, ary niara-nientana izy ireo tamin’ny fanadiovana ny tanàna.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici