- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Trano nisy nandoro, may avokoa ny entana sarobidy rehetra

Toliara : Trano nisy nandoro, may avokoa ny entana sarobidy rehetra

Noho ny fialonana, ory hava-manana ! Tranona ramatoa iray maty vady efa roa taona, monina ao amin’ny fokontany Betania Toliara, no nisy nandoro, ka may kila firehitry ny afo lasa lavenona tsy nisy noraisina ny entana sarobidy rehetra mitentina an-tapitrisany maro. Ny zanak’ity ramatoa ity izay mifanila trano aminy ihany no nanaitra ny reniny tamin’ny torimasony, nivoaka raha nandre fofon-tsetroka. Hagagana ny an’ity renim-pianakaviana mbola rendreman’ny torimaso ity, raha vao nivoaka ny tranony, nahita lelan’afo niledaleda, ka niantso vonjy tamin’ny manodidina sy ny mpamonjy voina.Tonga ara-potoana ireto farany. Araka ny fitantaran’ilay ramatoa niharam-boina, dia nohidiny tsara daholo ny varavaran-trano talohan’ny natoriay, ny alin’ny alarobia. Nandritra ny famonoana afo anefa no nahitana, fa nisy namaky ny varavarana iray ary naparitak’ ilay nandoro trano ny lamba rehetra tao anaty vata. Nodorany avy eo, nahatonga ny trano ho may. Efitra telo tao an-trano misy entana sarobidy no tena levon’ny afo. Efa misy olona ahiahiana nanao ny ankasomparana, hoy ny niharam-boina. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro  ny filaminana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici