- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara - Tranobe ny toekarena sy fitantanam-bola teo aloha : Miteraka resabe...

Toliara – Tranobe ny toekarena sy fitantanam-bola teo aloha : Miteraka resabe ny tetikasa fandrodanana azy

Trano harodana.

Lasa resabe eo anivo ny fiaraha-monina ao Toliara na eny andalana izany na eny aminy tambazotra toy ny Facebook, nandritra iny herinandro lasa iny ny mahakasika ny tetikasa izay kasain’ny kaominin’ny Toliara amin’ny handrodanana ny tranobe ny fitaleavam-paritrin’ny toekarena sy fitantanam-bola teo aloha izay naorin’ny fanjakana tany amin’ny taona 2007 eo Tsimenatse manoloana ny cinéma tropic, izay nipetra-potsiny hatramin’izay nahavita azy satria dia tsy azo nampiasana mihintsy arakin’ny voalazan’ny teknisiana satria tsy manara-penitra no sady ratsy kalitao, ka atahorana hirodana ka mety hitera-doza ho an’ireo manondidina azy . Hatramin’izay ary ka mandrak’androany dia lasa fieren-jiolahy teo fotsiny ity tranom-panjakana manamorina ny avenue Monja Jaona ity.

Takalo patsa vidim-pihinanana

Ny alakamisy lasa teo anefa dia nahataitra ny maro ny fanambarana nataon’ny mpanolotsaina monisipaly iray tao aminy pejiny ao anatiny Facebook fa namory ny filankevitra monisipaly ny  ben’ny tanàna Dédé Vita Sidson ka nazavainy tamin’izany fa atahorana hitera-doza ity trano ity ka izany no tsy maintsy hanesorana azy io . Ny sampandraharaham-paritry ny fanajariana ny tany hoy izy no nanao ny devis sy ny mpitsopitsony rehetra ary vola be mitentina 160 000 000 ariary no saran’ny fandrodanana io trano io nefa tsy zakan’ny volan’ny kaominina izany, ka voatery tsy maintsy nitady mpiara-miombon’antoka isika ka orinasa vahiny iray no nanolotanana amin’izany  asa izany.

Ny mampanahy anefa ao anatin’izao raharaha izao hoy ity mpanolon-tsaina kominaly ity fa voarakitra fa ho takalon’ny  vola nadrodanana ity fotodrafitrasa ity dia lasa mpanofa an’io tany izay antsoina hoe « Jardin de la commune » mandritra ny 50 taona azo havaozina na irony antsoina hoe « Bail emphytéotique » ity orinasa vahiny ity arakin’ny dikany fanapahana na « délibération » navaokan’ny filankevitra monisipaly izay tsy nahapafantarina ny mpikambana mihintsy na natao peta-drindrina toy ny fanao aminy zavatra toy ireny. Ary ny tena mampametra-panontaniana dia ny tsy nanaovana tolo-bidy na « appel d’offre » aminy asa goavana toy intony.

 Manoloana izany dia namaly sy nanome fanazavana tao amin’ny tambazotra facebook sy radio ary televiziona any toerana koa ireo mpanolontsaina izay mpomba ity tetikasa fandrodanana ity,  ka nanamarika izy ireo fa tsy marina ny filazana fa hoe efa vita ny taratasy fifanarahana na ny contrat de bail emphytéotique amin’ilay orinasa tsy miankina iray, fa mbola eo ampikarakarana ny maha  an’i kaominina an’io ny tany io  ny tompon’andraikitra ka aorin’ny fahazahoana ny « Titre » na boky tany vao hanome alalàna ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina izahay mba hirosoana amin’izay fifanarahana izay ary  hanaramaso akaiky ny fandrafetana izany fifanarahana izany izahay hoy izy reo.

Tsy nijanona teo anefa ny raharaha satria dia naparitank’ilay mpanolontsaina izay nanatsikafona ity raharaha ity tao amin’ny facebook indray ny asabotsy lasa teo ny dika mitovyny fanapahana noraisiny filan-kevitra monisipaly lahara 23/O27/CM/CU-U nivoaka ny 14 jiona 2023 izay milaza ny andinidininy amin’ny fifanarahana amin’ilay orinasa vahiny handrona ity trano ity. Izany  hoy izy dia noentiko hanaporofoana ny nafenina rehetra amin’ity raharaha ity.

Francis Ramamantsoa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici