- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilNécrologieToliara : Tranona Sefo Cisco voatafika, lasa sy volamena mitentina Ar 10...

Toliara : Tranona Sefo Cisco voatafika, lasa sy volamena mitentina Ar 10 tapitrisa

Mirongatra indray ny vaky trano arahina fanafihana mitam-piadiana ao Toliara. Omaly maraina, tao amin’ny fokontany Tsimenatse II-Ambalanomby Kamoa, dia tranon’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Toliara I norobaina jiolahy tamin’ny andro antoandro. Very tamin’izany ny entana maro samihafa sy volamena mitentina 10 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina, niala tao an-trano ny tenany sy ny vady aman-janany ny maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Gaga ny tompon-trano rehefa avy niverina niasa ny antoandro nahita ny trano nibanaka sy sy varavaram-be fidirana vaky.

 Marihina fa amoron-dàlana ny tranon’ity sefo Cisco ity, sady mifefy ary betsaka olona eo amin’ny manodidina, kanefa samy nilaza ireo nanontaniana ho tsy nisy nahita an’ireo mpandroba. Raha ny loharanom-baovao, efa misy olona ahiana amin’ity vaky trano ity. Omaly hariva, voasambotry ny polisy ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tokantranona mpiasan’ny banky tao Tsinematse I-Ouest Toliara. Mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo namany, araka ny vaovao azo farany.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser