Tovovavy iray manodidina ny 20 taona no tratram-badiny (sahabo 40 taona mahery) izay nandeha hiasa folakandro nampiaraka sy nifanoroka ary nifamihana be tamin’ny sipany, tsy lavitra trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana lehibe iray tao Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Rafitra avy hatrany ny ady. Ny tabataban’ilay rangahy tompom-bady sady nidaroka an-dramatoa vadiny no nanaitra ny teo amin’ny manodidina sy ireo mpandalo. Raha ny vaovao voaray dia hamangy an-dreniny marary no nialan-dramatoa tao an-trano, rehefa avy nisakafo antoandro. Tsy izany anefa no nisy, fa izao izy tratram-badiny nizara sy nilalao fitiavana tamin’ny olon-tiany hafa izao. Niala sady nitsoaka moramora boramena menatr’olona kosa ilay lehilahy nangala-badin’olona, tsy afaka niaro an’ilay sakaizany nigogogogo nitomany sady nifona mafy tamin’ny vadiny fa tsy hamerina intsony ny hadalany. Raha ny tsilian-tsofina, dia vady natolotra/namboarina noho ny lova tsy mifindra mbola mahazo laka any Atsimo ireto mpivady. Talohan’ny nahavitan’ny mariazin’ity tovovavy anefa (iray volana latsaka kely izay) no efa niaraka roa taona tamin’ity sipany ity izy.
Eric Manitrisa
Toliara : Tratra nampirafy ramatoa, raikitra ny ady andalam-be
Articles qui pourraient vous intéresser