- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tratrany nampirafy ny vadiny, ny zanany telo taona no natontany...

Toliara : Tratrany nampirafy ny vadiny, ny zanany telo taona no natontany tamin’ny tany

Trangam-piarahamonina nahavalalanina ny maro no niseho omaly, tao amin’ny fokontany Andaboly Toliara. Voalazan’ny fampitam-baovao voaray, fa tratran-drangahy nampiaraka tamin’ny lehilahy hafa sakaizany ny vadiny, ka rehefa tonga tao an-trano ramatoa ny antoandro, dia rafitra ny ady teo amin’ireto mpivady. Nilaza fa hisintaka sady nangorona ny entan-kely zakany ramatoa, ka tezitra mafy rangahy sady nobatain’ity raim-pianakaviana ity teo am-pandriana natoriany ny zanany lahikely sahabo telo taona eo, ary nakarapony tamin’ny tany ka safotra tsy nahatsiaro tena ilay zaza tsy manan-tsiny. Niantso vonjy tamin’ny manodidina vokatry ny famonoana azy sy ny menaky ny ainy ramatoa, ka vetivety dia vory ny mpiara-monina nijery ny zava-misy. Raha ny fantatra dia mbola miady amin’ny fahafatesana manaraka fitsaboana ao amin’ny efitrano famelomana aina amin’izao ilay zaza vaky loha, izay nibaby tsy fidiny ny rihitra noho ny adin’ireto mpivady.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici