Nirongatra tato ho ato ny asa ratsy tamina faritra maromaro ao Toliara tampon-tanàna, ary roboka hatramin’ny boaikely mandroba. Afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any, dia ankizy tsy ampy taona telo, manodidina ny 16 taona avy, izay voalaza fa mpianatra ny roa, no tra-tehaka rehefa avy nanendaka ramatoa be iray manodidina ny 50 taona, avy naka vola tamina toerana fakam-bola iray amin’ny alalan’ny finday ireny tao Sanfily. Lasan’ireo tontakely tamin’izany ny vola valo alina ariary. Nikiakiaka nila vonjy ity renim-pianakaviana ity, ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana ny olon-dratsy.
Avy any Fianarantsoa. Tsy lasa lavitra dia voahodidin’ny mponina ary noraisim-potsiny sy niharan’ny hatezeram-bahoaka izy telolahy, ka naratra mafy noho ny daroka sy vono nihatra tamin’izy ireo. Saika handositra niaraka tamin’ny vola avy norobainy ny iray tamin’ireo mpanao sinto-mahery izay voalaza fa lehiben’ireto tontakely, kanefa voatora-bato ka safotra. Raha ny fantatra araka ny fanamarinam-baovao, dia avy any Fianarantsoa ity sefo deban’ny mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy torana ity, ary efa manana tambazotra kely mihitsy amin’ny fanaovana asa fandrobana, indrindra ny finday sy vaky trano ary hala-botry, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa