- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTOLIARA - TSY FAHAZAKANA ONJAM-PIAINANA : Olona efatra namono tena tao anatin’ny...

TOLIARA – TSY FAHAZAKANA ONJAM-PIAINANA : Olona efatra namono tena tao anatin’ny herinandro

Nisesisesy tato ho ato ny olona tsy mahazaka onjam-piainana manapitra ny aina. Raha vehivavy ny ankabeazan’izy ireo teo aloha, dia ny lehilahy indray no ambony tahan’isa amin’ireo mamono tena ankehitriny ao Toliara. Tao anatin’ny herinandro monja, raha ny vaovao voaray, dia olona efatra no namono tena, ka ny telo amin’ireo dia lehilahy avokoa, toy ny tranga omaly nisandratr’andro tao Ampasikibo, tovolahy iray manodidina ny 20 taona nikasa hanapitra ny ainy hanindron-tena tamin’ny antsy lavalela maranitra no nifampitazonan’ny olona. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao dia nisarahan’ny olon-tiany, ity tovolahy tia misetrasetra mpifoka rongony ity ka kivy tanteraka ary io saika hanapitra ny fofon’ainy io.

Olam-pitiavana. Ny zoma teo, tovovavy iray vao 17 taona monja no teo ambavahaon’ny fahafatesana rehefa avy nitelina karazam-panafody samihafa. Nifamaly mafy tamin’ny reniny sy ny anadahiny ity tovovavy ity rehefa norarana tsy hiaraka amina lehilahy iray vadin’olona, ka dia ny hamono tena no masaka tao an-tsainy. Ny tolakandron’ny alarobia lasa teo, tovolahy iray 19 taona voalaza fa nangalatra finday nifanenjehan’ny olona no saika nanapitra ny ainy nitsoraka tao ambany fiara nandeha tamin’ny lalana mihazo ny seranan-tsambon’i Toliara iny. Ny 15 jolay lasa teo, mpiandry tanàna iray hita faty irery tao an-tranony, izay voalaza fa namono tena nihinana poizim-boalavo rehefa nisarahan’ny vadiny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici