- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Tsy nandoa vola, nendahin’ny makorely ilay rangahy

Toliara : Tsy nandoa vola, nendahin’ny makorely ilay rangahy

Tsy hay izay nahazo an’ity lehilahy iray ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny valo ora, teo ambadiky ny tambohon’ny fonjaben’i Toliara ao Bazaribe, fa izy efa nitangoronan’ireo mpivarotena sy efa voaendaka ny fitafy teny an-kodiny no nanaitra ny mpandalo. Tako-kenatra no hany nentin’ity raim-pianakaviana ity nody tany an-trano. Tsilian-tsofina heno tamin’ny iray tamin’ireo mpivarotena teo no nahafantarana, fa niaraka tamin’ny sipakely mpivarotra fitombenana naman’izy ireo ity rangahy ity. Vita ny natao tsy nanaiky handoa vola vidin’entana ny anao lahy fa nihevitra ny hihinam-potsiny dia mipà. Tsy nanaiky ilay koaitra kely fa dadany ka niantso ny namany tsy lavitra teo. Rafitra ny adim-borotsiloza. Tratry ny be no ho ny vitsy ranamana ka nitsoaka tsy nahalala menatra intsony.Somary malalaka sy mangingina ary maizina vitsy mpandalo ny amin’io lalan-tany io ka lasa fitobian’ireo makorely tato ho ato. Ireo olona mipetraka tsy lavitra eo ihany koa efa toa zatra ny tabataba isak’alina, ka tsy rototra intsony satria saika isanandro ahitana tranga toy izao foana, raha ny fanazavana. Raha ao Toliara, nitombo isa tato ho ato olona mitaraina voaendaka. Ny tanàna koa moa maizin’ny delestazy tsy misy fanafana ka miliba ny olon-dratsy.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser