- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Valolahy nanafika, raim-pianakaviana iray voatifitra

Toliara : Valolahy nanafika, raim-pianakaviana iray voatifitra

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitana basy indray tao Andaboly Toliara, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora, mbola betsaka olona nivezivezy tamin’io fotoana io, nefa dia tsy nahasakana an’ireo jiolahy nanatanteraka ny asa ratsiny. Raha ny fanazavan’ny niharam-boina dia jiolahy valo nirongo basy no niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pivarotany. Nanapoaka basy avy hatrany ireo mpandroba nanao amboletra niditra tao an-tsena. Raha nahita izany ny renim-pianakaviana tao an-trano tonga dia namono ny jiro avy hatrany, sady lasa nitsoaka niafina haingana niaraka tamin’ny vola rehetra maty tontolo andro.
Tezitra ireo jiolahy rehefa tsy azon’izy ireo ny rembiny ka ilay rangahy vadin-dramatoa sy ny zanany vavy teo an-tokotany izay voambana basy no norahonan’izy ireo hovonoina, ka iny saika hitifitra ilay tovovavy zanaky ny tompon-trano iny ireto jiolahy no niaro tampoka ny zanany ny rainy, ka voatifitra teo amin’ny lamosiny ary naratra mafy mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao, satria mbola misy bala tavela tao an-damosiny.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici