Nitrangana hain-trano nahafatesan’olona indray tany amin’ny Distrikan’i Toliara II, afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Vavy antitra iray tokony ho 70 taona eo, izay taizan’aretina ka nalemy tao am-pandriana efa ho roa taona no may kila forehitry ny afo, taorian’ny firehetan’ny trano vita amin’ny bozaka sy hazo nitoerany, tao Analamitsampy. Tany an-tsaha avokoa ny ankamaroan’ny olona teo an-tanàna tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ka tsy nisy afaka namonjy sy nifarimbona namono ny afo tsy hihanaka. Raha ny tati-baovao voaray, dia ankizivavy kely sahabo 7 taona eo no nijanona tao an-trano naman-dramatoabe. Raha ny tombatomban’ny maro dia mety ho vokatry ny afo kitay niitatra izay nandrahoana sakafo no mety nitarika an’ity hain-trano tsy nampoizina ity, satria nandrivotra be ny andro tamin’io fotoana io, ka mora niledaleda ny lelafo. Tsy naninona kosa ilay zaza izay nahitana ratra kely teo amin’ny sandriny sy tratrany.
Eric Manitrisa