Teratany frantsay iray 64 taona no voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona, ny asabotsy 4 janoary lasa teo, tany Tsadamba, 35 km avaratry ny kaominina Manombo Atsimo, distrikan’i Toliara II. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha rehefa vita ny fakana am-bavany tsy maintsy nataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.
Vokatry ny fanolanana dia simba tanteraka i Hortense, ankizivavy vao 14 taona, naolana vazaha 64 taona tao an-tranony ny misandratr’andron’ny 4 janoary lasa teo, tao Tsadamba, raha ny tatitra azo tamin’ny fizahana nataon’ny mpitasabo. Tsy nanana mpanampy an-trano ity vazaha ity satria nandeha ny vadiny, ka niangavy an’i Solo rain’i Hortense izy mba hanampy azy ny zanany, ny volana desambra. Tamin’io andro asabotsy io anefa dia nirahin’ilay vazaha hanamboatra fefina vovon-drano, 150 m miala ny tranony i Solo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nahare an-janany niantso vonjy i Solo ka nadodona ny varavarana, nefa tsy nisy nanokatra.
« Avy nanolana an-janako mbola niboridana izy vao nosokafany ny varavarana no sady avo vava àry nilaza fa mitoria raha sahy fa izaho manana olona ambony mpiaro fa teratany frantsay », hoy ny fitantaran’i Solo, rain’i Hortense tamin’ny mpanao gazety. Saika hitsoaka tany Mangily ity vazaha voarohirohy ity, nefa nosakanan’ny fokonolona tonga marobe nizaha ny zava-nisy, hoy kosa ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny tanànan’i Manombo Atsimo. Ho hita eo ny tohin’ny tantara fa ny ao amin’ny fitsarana vao omaly no nanomboka niasa !
Manitrisa