- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vazaha « mpangala-jaza » saika matin’ny olona

Toliara : Vazaha « mpangala-jaza » saika matin’ny olona

Vazaha anti-dahy iray sahabo ho 58 taona noheverina fa mpangala-jaza no saika matin’ny olona ny alatsinainy antoandro teo, tany Toliara, raha tsy tonga haingana ny renin’ilay zaza nanazava sy nandamina ny raharaha. Raha ny fanazavana azo : nangataka vola tamin’ilay teratany vahiny ilay zazavavy valo taona dia nomeny ary teo am-piresahana taminy indrindra izy no tsikaritry ny olona, ka noheverina fa mpangala-jaza. Vetivety dia niely ny resaka, nisahotaka izay naheno ka nitangorona ary noteren’izy ireo tsy navelany nandeha ilay vazaha. Nisy tamin’ireo taitaim-baombina nivory teo niantsoantso ny amin’ny hanaovana fitsaram-bahoaka, izay tsy nanadihady akory ny tena zava-nisy, toa an’ity lehilahy iray efa mamomamo avy hatrany dia nikasi-tanana. Ny olona koa efa leom-boananana amin’ny fihetsika mamoehitra sy mamoafady ataona teratany vahiny sasany amin’ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona. Tondro molotra tsy misy porofo sy soketa indraindray mety handratrana na hamoizana ain’olona. Raha ny fampitam-baovao azo farany dia tsy nitory ilay vazaha.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser