Teratany vahiny iray no voatery nosamborin’ireo pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tany amin’iny distrikan’i Toliara iny. Voarohirohy tamin’ny resaka fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ity farany ary voalaza mihitsy fa manararaotra ara-nofo ireo zaza ireo. Nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatany moa ity vazaha ity.
Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana voaray dia efa naraha-maso tanteraka ny fihetsik’ity teratany vahiny iray ity, rehefa tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ny asa ratsy ataony. Mazana mantsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao, no hita manambitamby zaza tsy ampy taona amin’ny vola, tsy amin’ny antony izy. Misy amin’izy ireny no mandeha manatona azy mihitsy hatrany an-tranony na any amin’ny trano fandraisam-bahiny. Nampiahiahy tanteraka izany fihetsika izany ka dia nanaovana vela-pandrika ity lehilahy ity. Fantatra tamin’izay fa nisy tamin’ireo ankizy mamonjy azy any an-trano na any amin’ny hôtely no anaovany firaisana ara-nofo, ka omeny vola rehefa vita sy azony izay tadiaviny. Manoloana izany fanararataona ara-nofo, indrindra fa nihatra tamin’ireo zaza tsy ampy taona izay dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy ireo tompon’andraikitry ny pôlisy. Ny alarobia teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny tenany. Ary io nadoboka am-ponja vonjimaika io miandry ny fotoam-pitsaràna azy, araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana.
m.L